You are here: home > Vetso

IZA ? - Fredy Jaofera

Azo vakiana?

IZA ?




Iza no tsy nilaza fa tsy hahavita zavatra
'zay nitondra rehetra sy ny olom-boafidy,
kanefa jereo ary mbola aiza no mifatratra
ny fiainam-bahoaka raha hoe sarobidy ?



Iza no tsy nilaza fa tsy hahavita an'itsy
na an'izao rehefa tonga amin'ny tanjona,
kanefa nahoana no toa tsy hita mihitsy,
niova ho olon-kafa sy tia nianjonanjona ?



Iza no tsy nilaza fa tsy tia olanolana
mamatotra ombieny an'ity Gasikara ;
kanefa nahoana no toa niholantrolana
rehefa mba nasaina nitady ny tsara ?



Iza no tsy nilaza fa tsy hitondra avo
ny haja sy hasina ity tanindrazana,
kanefa dia aiza fa toa manjavozavo
no iainana hatrany sy mbola otazana ?



Iza no tsy nilaza fa tsy tia firenena
ireo nikatsaka lava izay hampandroso,
kanefa ary ahoana no mampahonena
'reto olona maro mitady ny loso ?




                                           Fredy JAOFERA

Sokajy : Tanindrazana

Hevitra mandeha

toetra (18/05/2005 23:23:04)

Aiza ary iza ilay tena izy ?
Tohizo ny tononkalo momba ny tanindrazana fa mihavitsy ankehitriny.
Mankasitraka Fredy.

3004 (21/08/2005 20:43:05)

Misaotra betsaka e !

Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 18/05/2005
Mpamangy : 858
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

MITENY NY TANANA
REHEFA ISIKA ROA
FIENTANAM-PO
AO AM-PO
NY ANY AMINAY
NY ANKEHITRINY
MORA MARATRA
KIBO MANINA
KIRY
SAIKA