IZA IZATO IANAO ? (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZA IZATO IANAO ?




Iza izato ianao
no hita amin'ny nofy ?
Eny re, lazao
fa nandrava ny rofy.



Iza izato ianao
no nanaitra torimaso ?
Olom-baovao
hanolo irony an-kaso ?



Iza izato ianao
no neken'itony foko ?
Moa ve natao
hampisinda toloko ?



Iza izato ianao
no tsy miala mihitsy ?
Tsy te handao
fa antso iray mahitsy.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
155 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 27/12/2024 07:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0809