You are here: home > Vetso

IZAHO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



IZAHO




Izaho, tsy hiverina
amin'iny lalana efa nandratra,
fa tsy azo leferina
izay nanadala sy mba nihatra.



Izaho, tsy hitodika
any amin'ireo nampidi-kizo
fa namotipotika
toa tsisy farany no nampizizo.



Izaho, tsy hamoha
ny efa natao hatory amin'izay
fa mafy tokoa
raha mangingina no zavatra hay.



Izaho, tsy hamelona
ny efa natao ho faty any ho any
raha olombelona
mikatsaka lava ny mety aok'izany.




Fredy JAOFERA

Sokajy : Fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 25/09/2008
Mpamangy : 615
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

TAVANY
MOZIKA
NANEFY NY TOETRAKO
FITAFY
MIHIRA
REHEFA
HEHY
MAMOHA POETY
ADY MARO
TSY HO AZONAO NY FOKO