IZAHO VE NO ADALA ? (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAHO VE NO ADALA ?




Izaho ve no adala f'efa olona tsy tiana
dia asainy mbola hotiavina
sa iriny ny hampahosa sy ho feno fijaliana
hahazoany izay tadiavina ?



Izaho ve no adala f'efa andry tsy antenaina
dia terena mbola hiankinana
sa metimety aminy ny ananan-tebin-tsaina
sy ny tsy hahazo fanambinana ?



Izaho ve no adala f'efa aloka nandavo
dia asainy mbola hiverenana
sa mahasoa azy ny tsy ahafahako miravo
sy ny hananam-panenenana ?



Izaho ve no adala f'efa ratsy lavareny
dia terena mbola harahiko
sa ny hahapotika ahy no efa tiany ombieny
ka hampahory ny fanahiko ?





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Ady
2356 3
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 18/03/2005 10:16
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0114