You are here: home > Vetso

Izaho ve no adala - Fredy Jaofera

Azo vakiana?

IZAHO VE NO ADALA ?
Izaho ve no adala f'efa olona tsy tiana
Dia asainy mbola hotiavina
Sa iriny ny hampahosa sy ho feno fijaliana
Hahazoany izay tadiavina ?
Izaho ve no adala f'efa andry tsy antenaina
Dia terena mbola hiankinana
Sa metimety aminy ny ananan-tebin-tsaina
Sy ny tsy hahazo fanambinana ?
Izaho ve no adala f'efa aloka nandavo
Dia asainy mbola hiverenana
Sa mahasoa azy ny tsy ahafahako miravo
Sy ny hananam-panenenana ?
Izaho ve no adala f'efa ratsy lavareny
Dia terena mbola harahiko
Sa ny hahapotika ahy no efa tiany ombieny
Ka hampahory ny fanahiko ?

Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha