IZANY KA VATANA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZANY KA VATANA Izany ka vatana,
indro soratana
fa mahavariana
sy tena tiana.
Izany ka vatana
hamirapiratana
fa dia harena
rehefa jerena.
Izany ka vatana
afa-mitantana
ny foko, zareo,
ho lavi-toreo.
Izany ka vatana
eto mivantana
mitory ho doria
ny tena fitia.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy: