IZAY MAMONJY FIRENENA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAY MAMONJY FIRENENA





Izay mamonjy firenena
dia tsy mandika lalàna
fa mandala fahendrena
sy mba feno hatsarana.




Izay mamonjy firenena
dia mijery 'reo vahoaka
fa tsy izay fitiavan-tena
hita foana vao mivoaka.




Izay mamonjy firenena
dia manandratra ny tany
hiandrandra fandresena
ho haravoana sesilany.




Izay mamonjy firenena
dia hipoiram-pitahiana
hitombo tsy hay fefena,
sady ho ela fandidiana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
591 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0114