IZAY MISY FIALONANA... (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAY MISY FIALONANA...






Izay misy fialonana,
misy korontana
sy ireo fifandonana,
sarotra avotana !



Izay misy fialonana,
misy haratsiana,
na ho takontakonana
mody tsy tiana.



Izay misy fialonana,
itoerana ahiahy
tsy mba iombonana
etoana, ry lahy.



Izay misy fialonana
misy haresena,
na ny ho vovonana
no efa kendrena.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1890 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119