IZAY MISY NY FITIAVANA... (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAY MISY NY FITIAVANA…





Izay misy ny fitiavana
no misy fahasambarana
raha any no itadiavana
‘reo nofy nisantarana.



Izay misy ny fitiavana
no misy fahombiazana
raha any re, rahavana,
ny tsiky no fafazana.



Izay misy ny fitiavana
no misy fanambinana
raha any izay goavana
ho toky sy fiankinana.



Izay misy ny fitiavana
no misy ny eritreritra
raha any tomandavana
ny saina sy ny hevitra.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
1443 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0125