JEHOVAH NO... (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
JEHOVAH NO...




Jehovah no fahazavako
eo amin'izao tontolo izao
ka mandeha ny fiderako
hitondrany fiainam-bao.



Jehovah no famonjeko
amin'ny androko rehetra
hisehoan'ny fandreseko
higagana vao mitoetra.



Jehovah no fiarovako
azo antoka avy hatrany
hanova 'reo nolalovako
ho paradiisa eto an-tany.



Jehovah no fiadanako
mpandrava ny ahiahiko
sy irony fahasahiranako
hampitony ny fanahiko.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
440 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0122