JEREO NY VALALA ! (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
JEREO NY VALALA




Jereo ny valala
mameno tanàna ;
toa mila hanadala
fa tsy ara-dalàna.



Jereo ny valala
manaloka etoana,
tsy nisy sahala
no tsarotsaroana.



Jereo ny valala
manimba ny voly,
roahy mba hiala
fa tsy hita miholy.



Jereo ny valala
mora samborina,
alefao any an'ala
fa mitangorina.



Jereo ny valala
mandoza ny tany,
Tsy ampy ny bala
ialany eto hatrany.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1043 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0122