You are here: home > Vetso

Kalon-janaka - Fredy Jaofera

Azo vakiana?

(Atolotro an-dreniko eny Manjaka)

Henonao ve ny tsaitsaikako, ry Neny,
Miantso mora mba hifoha
Fa fetinao anio raha malahelo ombieny,
Na tsy afaka avy hamoha ?
     Henonao ve ny bitsibitsiko, ry Neny,
     Tonga hitondra ny arahaba
     Fa fetinao anio ka oriory lavareny
     Raha tsy te handre kotaba ?
Henonao ve ny sentosentoko, ry Neny,
Tsy manam-petra hatrany
Fa fetinao anio ra’avy tsy an-kiteny
Sy nahatsiaro nitomany ?
     Henonao ve ny vetsovetsoko, ry Neny,
     Tsy mitsahatra eto foana
     Fa fetinao anio ka raozy nampireny
     No sisa toky mampihoana ?
Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha