You are here: home > Vetso

KATSAHO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


KATSAHO




Katsaho ny fahamarinana
tsy hosolafaka an-tany
fa sarin’ireo fanambinana
hirotsaka tsy hita lany.




Katsaho ny fanetren-tena
tsy hahavery mihitsy
fa mbola zavatra harena
iainan’ny olona vitsy.




Katsaho ny fahatsarana
tsy hahavasoka ery
fa azoko atao hoe lalàna
tsy mba hampikodia.




Katsaho ny firahalahiana
tsy hampahory ny fo
fa miravaka ireo fifaliana
efa nataoko tsy ho to !




Fredy JAOFERA




































T

Sokajy : Fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 16/12/2008
Mpamangy : 471
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

TAVANY
MOZIKA
NANEFY NY TOETRAKO
FITAFY
MIHIRA
REHEFA
HEHY
MAMOHA POETY
ADY MARO
TSY HO AZONAO NY FOKO