KETSA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KETSA



Ny lasa dia lasa
ka tsy afaka hiasa
hamerina indray
ny nisy hatrizay !


Miova ny tiako
fa dia nijaliako
ny zavatra vita,
na nisy tsy hita.


Miova ny tsara
fa efa voarara
ny tsy hiara-dia
ny vetsom-pitia.


Miova ny mety
fa mbola tanety
ny tany rehetra,
nampitsetsetra.


Koa mahasoava
sy ho lalandava
hahazo ny ilaina
no mba tanisaina.


Veloma finaritra,
na tsy naharitra
ireo dina natao
mbola hihavao...


Be re ny hafa
ka aza mijafa,
na kely monja
no teny mafonja.


Be re ny soa
mbola afa-mamoa,
ka tsara tsodrano
fa lasa ny vano !


Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana
1197 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118