KOBAKA AM-BAVA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KOBAKA AM-BAVA





Kobaka am-bava
nandrebirebena
ny vahoaka madinika
ny kabary lava
toa nahasorena
rehefa nandinika !



Kobaka am-bava
nanakonakonana
ny tiana ho azo,
ny teny nandrava
nanangonangonana
Ny soa tsy halazo !



Kobaka am-bava
nampanantenana
ny tsara tadiavina
ny re lalandava
nidradradradrana
ny tiana hodiavina.



Kobaka am-bava
namerimberenana
fa mbola hahatafita
‘zao baiko mazava
mety hanarenana
ny very tsy hita !





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Tanindrazana
1101 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 20/09/2009 21:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015