KRISMASY ANY AN-DANITRA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KRISMASY
ANY AN-DANITRA

Krismasy any an-danitra
no nialany teto an-tany
ka toa masina sy manitra,
na izay diany tamin'izany.



Krismasy any an-koatra
tsy voavisa iray minitra,
nahasambatra azy loatra
fa toa nampipitrapitra !



Krismasy tsy hay ambara,
tsy dia hoe fanao modely,
na nahenoana ny anjomara
sy notsenain'ireto anjely.



Krismasy tsy hay zaraina
amin'ny velona rehetra
fa an'ny maty sady ilaina
hotsaroana tsisy fetra.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Fahafatesana
4239 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.02