KRISMASY HAFA LOATRA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KRISMASY
HAFA LOATRA


Raha tonga ny Noely
dia toy ny zazakely
naniry izay niriny,
nitady izay mba tiany
ny foko ravoravo
mbola hoe tanavo
nahazo kilalao
maro sy mba vao...
Kanefa na izany,
indro fa tomany
no reko nampahory,
tsy nitondra tory ;
indro fa fahoriana
niampy fijaliana
no niraradraraka,
fa toa tafasaraka
amin'olona malala
ny fo tsy nahalala
ny atao hoe : nangaina,
ka tsy tonga saina
fa reny ity nitsitra
nampipitrapitra.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Fahafatesana
3356 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0291