You are here: home > Vetso

LANY VE ? - Fredy Jaofera

Azo vakiana?

LANY VE ?




Lany ve ny olomanga
no voatavo tsy mifandraka
ny toa mitondra firenena
sa ireny mbola hitranga
haharavo sy hampatanjaka
‘zato Nosy mahonena ?




Lany ve ny olomanga
no maitso volo ny mijoro
ho an’ny tanindrazana
sa  hisy izay hiranga,
hoy aho tsy hampikoro
hivatsy fahombiazana ?




Lany ve ny olomanga
no ireny sisa no mahery
hanova izay tadiavina
sa hisy hanangasanga
any ihany fa tsy hiery
no tsy be hevi-dravina ?






Fredy JAOFERA



Sokajy : Tanindrazana

Hevitra mandeha

benasy (14/04/2009 10:18:09)

Tsy ny votavo no tsy azo fandrahina... Ilay fandraka mihitsy no tsy misy... f'efa very !

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 03/04/2009
Mpamangy : 522
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

TAVANY
MOZIKA
NANEFY NY TOETRAKO
FITAFY
MIHIRA
REHEFA
HEHY
MAMOHA POETY
ADY MARO
TSY HO AZONAO NY FOKO