LAVA TONGOTRA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAVA TONGOTRA




Ravo ny tany ka mihetsiketseha,
feno ny lisy ka tondratondrahy,
ento ny jija, na mody mandeha
fa mitandrema no hafatra iray.



Vaky ny sôva ka isekosekoy,
tretrika aloha ka mibitabitaha,
vory 'zao ny lasa ka kolokoloy
fa matsirotsiro ny vorom-bazaha.



Nefa tsarovy fa ny zavatra vita
dia any ihany no hampanjoretra,
ka mbola hahakenda sy hampahita
'reny mafaitra tsy misy fepetra.



Nefa tsarovy fa ny ratsy natao
dia tsy ho faty mandritry ny taona,
fa mainka handreraka tsy mety lao,
hahamenatra ombieny raha tafahaona.



Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
1193 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4891