You are here: home > Vetso

LAVITRA AHY (2) - Fredy Jaofera

Azo vakiana?

LAVITRA AHY





Lavitra ahy
ny momba anao
ka asa, lahy,
raha be vaovao ?




Lavitra ahy
ny sangintsika
tsy voatahy
raha toa adika.




Lavitra ahy
ny fanditra kely
ka manahy,
na tsy mamely.




Lavitra ahy
ny tantara nisy
ka tsy sahy
mamoha, indrisy !




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 06/10/2019
Mpamangy : 63
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

TSANTA
VOARARA
NY BOKY
EKENA
TAO
HO RESINAO
NY HERIM-PO FANARY
MISY VIDINY
FAHANTRANA
RAOZIM-PAHAVARATRA