LAVITRA EZAKA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAVITRA EZAKA



Kely dia kely ny fanantenana
mety hipoiran'ny fahagagana
rehefa tsy tazana fa mihavao
'ty Gasikara sy izay olona ao.



Nofin'adala ny hifanampiana
amin'izay ory sy be fijaliana,
mila vonjy sy te hihantahanta
any amin'ity governemanta !



Nofin'adala ny fahamarinana
lafo dia lafo sy azo isikinana
rehefa ny ratsy no efa modely
ho an'ny vahoaka voavelively.



Nofin'adala ny fandrosoana
dradradradraina sy ihamboana
rehefa variana mipetrapetraka
'reo tsy an'asa mila ho ketraka.



Nofin'adala ny fandresena
katsakatsahin'ireo mahonena
rehefa ny saina no toa hafafafa,
tsy mampivoatra na mampitafa.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
1080 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 1.3066