You are here: home > Vetso

LEFONA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


LEFONA





Lefona ny vava
ka mba fepero
fa mpandrava
sy misy afero.




Lefona ny fosa
ka sakantsakano
tsy mba hisosa
sao re angano.




Lefona ny latsa
ka mba aleveno
sao tsy ho patsa
ka dia ambeno.




Lefona ny vely
ka ilaozy aloha,
tsy marary kely
fa ngeza tokoa.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha