LOHATAONA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LOHATAONA




Miverina indray ny masoandro
ka miaina sy mba lavi-tsaona ;
mahafinaritra ery izany andro
fa tonga tokoa ny lohataona.



Mitsimoka indray ny voahary,
ka kanto no maharavo foana ;
satry ny ho vita amin’ny sary
fa tonga tokoa ny lohataona.



Mitsoka mangina ny rivotra,
ka mamelona vao manoloana ;
raozy maromaro mahadifotra
fa tonga tokoa ny lohataona.



Mihira aok’izany ny vorona,
n’aiza n’aiza ka voataona ;
izany dia izany no miforina
fa tonga tokoa ny lohataona.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Tontolo iainana
1852 1
Fans: Zozoro
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0125