MAFY NY FINOAKO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAFY NY FINOAKO


Ray รด !...



Mafy ny finoako
tao anaty fahoriana,
ka tsy hiova loko
nony misy fitahiana.



Mafy ny finoako
tao anaty tebiteby,
ka mbola mitoko
nony ravo misomeby.



Mafy ny finoako
tao anaty sedra maro,
ka mbola misoko,
na hoby re fantaro.



Mafy ny finoako
tao anaty rivo-doza,
ka ento ny foko
hahery tsy hitavoza.



Amena !...



Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1074 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 25/05/2009 22:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154