MAHAIZA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAHAIZA




Mahaiza midera
an'ny Ray Tsitoha
dia tsy hianjera
fa hisaotra tokoa.



Mahaiza miravo
isan'andro etoana
dia tsy ho lava,
na aiza hirosoana.



Mahaiza mitony
vao maro tebiteby
dia ny hamony
ho toky hisomeby.



Mahaiza mijoro
vao tojo hakiviana
dia hisy hanoro
ny lalam-pitahiana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
97 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 21/07/2024 21:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0233