You are here: home > Vetso

MAHANTRA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?

MAHANTRA



Mandry izy aloha fa tsy hita izay lazaina,
ny vola toa tsy misy na azony antenaina,
lamba maimbomaimbo sy rovitra tanteraka,
izao izany ve no tena olon-dreraka ?




Ketraka izy ity fa mitebiteby mafy fatratra
amin'izao fonenany manakaikikaiky tatatra,
tsy ampy jiro lalandava na izay rano isasana
mahamenatra ombieny sy zary tsy hay fafana.



Valaka izy ity fa tsy irony havana mitsetra
na namana itokiana no mitsiriritra hitoetra,
fa fakofakon'olona mitaditady izay mba misy
no mihaodihaody kely sy mampisento, indrisy.



Maloka izy ity fa tsisy hanina no miditra
ka miteniteny irery tsy ho zary ambivitra
ny nofinofy tiany mbola hipoitra marina
hahatonga azy kosa ho olona tafarina !





               Fredy JAOFERA



Sokajy : Fahantrana

Hametraka hevitra

Midira aloha