You are here: home > Vetso

MAHATSARA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





MAHATSARA





Mahatsara ny hambom-po
dia izy namana azo antoka
tsy manery eto hiamboho
fa mainka aza hifantoka !




Mahatsara ny fahavoazana
dia tsy mamela amin'izao :
ho malahelo rehefa tazana
fa mampijoro ka ambarao.




Mahatsara ny fihemorana
dia mampiezaka mangina
eto foana am-pahatsorana,
tsy ahalalana fahakiviana.




Mahatsara ny hakelezana
dia mampirisika ho lehibe,
na matetika ihomehezana
sy ambanina hatrany ange.




Fredy JAOFERA