MAHAVARA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAHAVARA




Mahavara mamaky baiboly
raha mila ny tena hafaliana ;
mahavara fa sao ny devoly
no avy hisoko mangina.



Mahavara mivavaka ombieny
raha mila ny Tompo Tsitoha ;
mahavara fa ny ao lavareny
no misy ny tsara sy soa.



Mahavara midera isan'andro
raha mila ny asany marina ;
mahavara fa Izy no hitandro
anao mbola tsy hivarina.



Mahavara ny tsy hanadino
ny didy natokany hiainana ;
mahavara fa olona mpino
isika ary manam-pisainana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
1053 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0111