You are here: home > Vetso

MALAGASY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



MALAGASY





Malagasy fiteny
no mamy loatra
tsy foy ombieny
fa mampivoatra.




Malagasy fijery
no harena lava
tsy tia mamery
fa mpanazava.




Malagasy fijoro
no bika lalaina
tsisy horohoro
rehefa deraina.




Malagasy fitafa
no hajako iray
raha toa afafy
rehefa tsy hay.




Fredy JAOFERA





Hametraka hevitra

Midira aloha