MALAGASY (2) (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MALAGASY




Malagasy ny fiteny
no manaja hatrany
ka sitraka ombieny
fa marina eto izany.



Malagasy ny fitafy
no mahatsara bika
ka tsorina sy afafy
fa kanto raha adika.



Malagasy ny fanahy
no mitondra hasina
ka aoka tsy hanahy
sao re hitsinkasina.



Malagasy ny fanao
no mitory fifaliana
ka velomy sy hajao
ho soa sy fitahiana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
347 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117