MALAGASY FIRY ?... (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MALAGASY FIRY ?...



Malagasy firy
no mitady sy maniry
hanam-piainan-tsambatra
amin'ny fo tsy miangatra ?



Malagasy firy
no milofo sy mikiry
ny ho voky sesehena
sy ny hoe : hanankarena ?



Malagasy firy
no mihafy sy miziry
ny tsy mety miasa maina
na ho resy tsy hay lazaina ?



Malagasy firy
no be nofy makadiry
ny higoka fahafahana,
na any anaty fivavahana ?..



Kanefa ange topazo
fa mihabe mpahazo
sy mampihanahana
izato fahantrana.



Kanefa ange jereo
fa maro no efa leo
fampandriana adrisa
tsy àry voatanisa.



Kanefa anga diniho
ny omaly sy ny anio
fa miroto lalandava
sy mila tsy hazava.



Kanefa ange tsarovy
fa saika toa mitovy
isan'andro vaky izao
ny dinitra ho anao.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
452 1
Mpakafy: Ajnal
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 07/03/2021 18:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144