You are here: home > Vetso

MALAINA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


MALAINA




Malaina izy hamafy
fa tonga dia ny hijinja,
matoa tsy mba nitafy        
‘reny tsara indindra !



Malaina izy hamboly
fa tonga dia ny hahazo
matoa namolivoly
sy mba very vazo.  


                            
Malaina izy hifofotra
fa tonga dia ny hatory
matoa nihanidofotra
sy nanan-tsorisory !



Malaina izy hiasa
fa tonga dia ny hifety
matoa eny fa tsy lasa
‘zay zavatra tsy mety.





Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha