MALALAKO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MALALAKO




Malalako iny,
lazao azy izany
hifoha ny fahiny
sy ho tonga any.



Malalako iny
ka araho maso
sao ankehitriny
tojo ranomaso.



Malalako iny
ka misento lava,
mamiko ny tiany,
aoka eto hazava.



Malalako iny
ka tsy foy ange,
raha ny fifaliany
dia fifaliako re !




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
513 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0263