You are here: home > Vetso

MAMOHA POETY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




MAMOHA POETY





Mamoha poety ny fitiavana
rehefa tojo fahasambarana
tonga ho azy tomandavana
tsy te hahalala fitsaharana.




Mamoha poety ny fitserana
rehefa embona no mipoitra
toa hafahafa maka toerana
sy mbola injao mipololotra.




Mamoha poety ny fotoana
rehefa mila ho singan-drery
ka mampitranga manoloana
ny alahelo notakonam-pery.




Mamoha poety ny oram-be
rehefa manina ato an-trano,
ny ainga ihany no mandeha
sy mikopakopaka ny vano.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 23/08/2020
Mpamangy : 74
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

FITAFY
MIHIRA
REHEFA
HEHY
ADY MARO
TSY HO AZONAO NY FOKO
FISARAHANA
LALINA
NY FANANAM-PAHATSORANA
NY FANGINANA