You are here: home > Vetso

MAMPIJALY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?

MAMPIJALY





Mampijaly ny fitiavana
rehefa tia tokoa :
tsy ahalalana havana
f'izy foana aloha.




Mahakivy ny fitiavana
rehefa mamely ;
ao avy ny fandavana,
na mody kely.




Mampiteby ny fitiavana
rehefa tsy hita ;
sentosento no goavana,
ny asa tsy vita.




Mampiady ny fitiavana
rehefa tsy zaka,
mahory tomandavana
sao misy maka.




Fredy JAOFERA


Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 14/05/2019
Mpamangy : 695
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

NY FEONY
VAO MISY MANONTANY
MAMAKY
RAHA TSY...
MPAMAFA TAVA
MITADY ANAO
OLO-MANGINA
LAVAKA
VAVAKY NY FO
MIVAVAHA