MAMY NY FAHAFAHANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAMY NY FAHAFAHANA





Mamy ny Fahafahana
rehefa misy fiadanana
tsy azom-panavahana
amin'izay andehanana.




Mamy ny Fahafahana
rehefa fahasambarana
tsy azom-pamitahana
no io manarangarana.




Mamy ny Fahafahana
rehefa afaka ny hafa
no hetaheta mibahana
vao mba mety ny tafa.




Mamy ny Fahafahana
rehefa tsy mahita azy
fa any am-pigadrana
satria ange voasazy !




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1013 0
Commentaires
Ilay FANAMBY ( 23/02/2022 15:33)
Mahafinaritra,mba afaka mangataka numero-nao ve azafady ny fb.
-0341157270(alefa aminio)
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0143