You are here: home > Vetso

MANAN-KASINA NY MATY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




MANAN-KASINA NY MATY





Manan-kasina ny maty
ka aoka tsy haratsina
sao ange ianao hitaty
loza maro tsy nirina.




Manan-kasina ny maty,
aoka tsy hamaivanina
fa tsy hevitra poak'aty
matoa ianao entanina.




Manan-kasina ny maty
ka mendrika hohajaina,
tsarovy foana na soraty
fa nampita ery ny aina.




Manan-kasina ny maty,
aza avela hangatsiaka
ka rakofy fa any anaty,
tomany no mandriaka.




Fredy JAOFERA