MANANKARENA MAHANTRA (2) (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANANKARENA MAHANTRASeko 'zany, seko 'zany fa manam-bola,
dera 'zany, dera 'zany fa feno angola ;
sambatra ange ianareo, sambatra loatra
fa feno fiadanana, na tsy any an-koatra.
Seko 'zany, seko 'zany fa manan-trano,
dera 'zany, dera 'zany fa tsisy angano ;
tretrika ange ianareo, tretrika marina
fa efa niaina sy mbola afaka miarina.
Seko 'zany, seko 'zany fa manam-piara,
dera 'zany, dera 'zany fa tsy diso anjara ;
avotra ho azy ianareo, avotra kosa
fa milamina sy feno hira miavosa.
Manankarena anefa mahantra fanahy :
tia latsalatsa ka toa mampiahiahy …
Ireny ve no andry mety ianteherana
raha be fosafosa sy tsisy fiheverana ?
Manankarena anefa tsy manan-tsaina,
ranom-potaka ve no tokony hohajaina ?
Aleo mangina fa tsy tiako hotohizana
'zay toetra ratsiny mbola namizana !...
Fredy JAOFERA
--------
Rohy: