MANAOVA SOA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANAOVA SOA




Manaova soa
tsy hanenenana
maraina mifoha
hitombenana.




Manaova soa
tsy hampanahy
fa rehefa voa,
tsy be mitahy.




Manaova soa
tsy hosolafaka
fa antoka koa
tena hanafaka.




Manaova soa
tsy handatsana
hahatsara kokoa
izay hiafarana.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
796 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 14/01/2017 23:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147