You are here: home > Vetso

MANDEHA DAHOLO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





MANDEHA DAHOLO





Mandeha daholo
ny zava-drehetra
raha velom-bolo
ny dina mitoetra.




Mandeha daholo
ny asa mahaliana
raha hita bontolo
ny fitia notakina.




Mandeha daholo
ny hira mahafaly
raha vao tontolo
tsy tia ny omaly.




Mandeha daholo
ny deran'ny Avo
raha vao nisolo
ny ora nandavo.




Fredy JAOFERA