Hevitra momba ny MANDRA-PISY

Hiverina amin'ny MANDRA-PISY
pissoa ( 01/07/2009 14:29)
Tsara, mankasitraka :))
pissoa ( 01/07/2009 15:46)
Tsy naharitra fa nanoratsoratra tamin'ity tononkalo ity. :))

Efa nisy

Efa nisy anie mazava tery am-para vodilanitra
Efa tazako mazàna ilay hava-maro loko ;
Fa miserana izy iny, tsy natokaha haharitra
Ka tsy tsinjony akory, ny atý anie ka mitoloko.

Efa nisy ranon'ando nanakotsa itony tavako,
Efa nisy orana aza mba niseho nivatravatra ;
Fa niserana izy ireny, tsy nahatototra ny lasako
Ny tatrevany nitsaoka ny fijaliana ao an-tratra.

Efa nisy anjomara nanambara f'efa akaiky
Efa ho tody izao dia, efa miandry ny an-tanàna ;
Saingy atao ahoana moa ny tsy ho kivy sy hanjokaiky
Raha ny foko no mandreny fa tsisy lakana hitàna ?

Soa fa misy itony vetso tsy hamela intsony hiraraka
Itony dinitry ny foko ... mandra-pisy valim-bavaka.

Pissoa (1 Jolay 2009)
pissoa ( 01/07/2009 15:47)
Ooops, andalana faharoa ... "ilay ava-maro loko" fa tsy "hava-maro loko".
tsiambaratelo ( 02/07/2009 04:20)
Saiky ozizy aho hoe: Misy vetso roa mitovy dika! ;-)
Zozoro ( 02/07/2009 12:13)
Raha toa masoandro sasatra
Tsy aleoko ve ny kintana !
Raha anjara tsy hamokatra
Ekeko izany vintana !
Raha sambo toa andrendrika
Ny zahatra noamaharana
Raha nofy tsy ampy fenitra
Ny angano no hifatrarana.

Zozoro

benasy ( 11/07/2009 09:50)
Tena mba mahaliana ahy fatratra ery ireo vetson'ise rehetra nandalo teto ireny.....!
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.015