You are here: home > Vetso

MANDRA-PISY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?

MANDRA-PISY





Mandra-pisy fahazavana
eny am-para vodilanitra
hanova ny tontolo,
hirahira tsy hay rarana
sy manam-pofo-manitra
no avy hamelom-bolo.




Mandra-pisy ranon’ando
hanakotsa izato tava
drodroky ny lasa,
ny maso roa no mando
fa mahita lalandava
ny jaly izay nikasa…




Mandra-pisy anjomara
hiredona any ho any
hitsena izato dia,
tsy mahakivy ny tantara,
na ory tsy hita lany
ny feon‘ilay valiha.




Mandra-pisy valim-bavaka
feno laza toa tsy hay
hahasambatra ahy,
vetsovetso no handravaka
‘reny sento fahizay
sy nahory ny fanahy.





Fredy JAOFERA

Hevitra mandeha

pissoa (01/07/2009 16:29:20)

Tsara, mankasitraka :))

pissoa (01/07/2009 17:46:59)

Tsy naharitra fa nanoratsoratra tamin'ity tononkalo ity. :))

Efa nisy

Efa nisy anie mazava tery am-para vodilanitra
Efa tazako mazàna ilay hava-maro loko ;
Fa miserana izy iny, tsy natokaha haharitra
Ka tsy tsinjony akory, ny atý anie ka mitoloko.

Efa nisy ranon'ando nanakotsa itony tavako,
Efa nisy orana aza mba niseho nivatravatra ;
Fa niserana izy ireny, tsy nahatototra ny lasako
Ny tatrevany nitsaoka ny fijaliana ao an-tratra.

Efa nisy anjomara nanambara f'efa akaiky
Efa ho tody izao dia, efa miandry ny an-tanàna ;
Saingy atao ahoana moa ny tsy ho kivy sy hanjokaiky
Raha ny foko no mandreny fa tsisy lakana hitàna ?

Soa fa misy itony vetso tsy hamela intsony hiraraka
Itony dinitry ny foko ... mandra-pisy valim-bavaka.

Pissoa (1 Jolay 2009)

pissoa (01/07/2009 17:47:58)

Ooops, andalana faharoa ... "ilay ava-maro loko" fa tsy "hava-maro loko".

tsiambaratelo (02/07/2009 06:20:06)

Saiky ozizy aho hoe: Misy vetso roa mitovy dika! ;-)

Zozoro (02/07/2009 14:13:34)

Raha toa masoandro sasatra
Tsy aleoko ve ny kintana !
Raha anjara tsy hamokatra
Ekeko izany vintana !
Raha sambo toa andrendrika
Ny zahatra noamaharana
Raha nofy tsy ampy fenitra
Ny angano no hifatrarana.

Zozoro

benasy (11/07/2009 11:50:00)

Tena mba mahaliana ahy fatratra ery ireo vetson'ise rehetra nandalo teto ireny.....!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 01/07/2009
Mpamangy : 928
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

REHEFA ISIKA ROA
FIENTANAM-PO
AO AM-PO
NY ANY AMINAY
NY ANKEHITRINY
MORA MARATRA
KIBO MANINA
KIRY
SAIKA
HATSARAN-TAREHY