MANEFY NY ANJARA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANEFY NY ANJARA





Ny toetra, manefy ny anjara
hahafinaritra etoana na tsia,
hisasatra mba hisy amboara
'reo ezaka atao ka matokia.




Ny saina, manefy ny anjara
tsy hisosososo any an-kady,
tsy hirefareha any am-para
fa manana harena sahady !




Ny ratsy, manefy ny anjara
ho maizina ny fiainana eto,
ho reraka rehefa ho tantara,
tsarovy izay na mba raketo.





Ny sedra, manefy ny anjara
hitarafana ity fahamatorana
mahay mitaona lesona tsara
mendrika lava ny hizorana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
355 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 03/04/2022 14:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015