MANIMBA FIRENENA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANIMBA FIRENENA





Manimba firenena
ny manavakavaka,
safidy mampivena
mankao an-davaka.




Manimba firenena
ny mangalagalatra,
toetra mahonena
tsy mba fitaratra.




Manimba firenena
ny manakolikoly,
mahavery harena
vao te hiala voly.




Manimba firenena
ny mamitapitaka
niniana novolena
fa dia te hibitaka.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
768 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.014