MANJA TOY NY ANJELY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANJA TOY NY ANJELY





Manja toy ny anjely
iny zanak'olona iny
ka mampitepo kely
ny foko ankehitriny.




Manja toy ny anjely
ka dia mahavariana
fa tsy ratsy velively
ny bika raha zohina.




Manja toy ny anjely
ka nahafinaritra ahy
nofisiko ho modely
hampety ny fanahy.




Manja toy ny anjely
ka mandrehitra fitia
nataoko tsy hamely
fa misy ny ho doria.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
653 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 28/11/2019 13:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0958