MANKAHERY - Fredy Jaofera
Azo vakiana?
MANKAHERY
Efa ory ve ianao ?…
Tsarovy tsara izao
Fa ny olo-mankahery
No toky tsy mamery.
Efa kivy ve ianao ?…
Tsarovy tsara izao
Fa ny olo-mankahery
No andry tsy mijery.
Efa osa ve ianao ?…
Tsarovy tsara izao
Fa ny olo-mankahery
No antoka tsy miery.
Efa resy ve ianao ?…
Tsarovy tsara izao
Fa ny olo-mankahery
No tena tia irery !
Fredy JAOFERA
Sokajy :
Eritreritra mandalo
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 03/03/2009
Mpamangy : 760
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TSY MIRINDRA NY TONTOLOTENIN'NY FOKO
NY MADIO NO LOTOINA
MAHAFINARITRA NY TANY
MANDEHA DAHOLO
REHEFA TAPITRA NY FANANTENANA
ANTSON'NY NOSY
NITOMANY
NY VAVAKY NY MINO
RAHA DEMOKRASIA