You are here: home > Vetso

MANOMPO TANINDRAZANA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




MANOMPO TANINDRAZANA





Manompo tanindrazana
dia lahasa mahavariana
tsaroana ho be karazana
sy mivoy fahamboniana.




Manompo tanindrazana
dia andraikitra mafonja,
tsy ialana rehefa tazana,
na ho vetivety monja !




Manompo tanindrazana
dia adidy mahafinaritra
mitondra fahombiazana
izay mba mahatsikaritra.




Manompo tanindrazana
dia mitsinjo ny vahoaka
tsy hibaby fahavoazana
fa mijoro tsy mitsoaka.




Fredy JAOFERA