MARAIM-BAOVAO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MARAIM-BAOVAO




Maraim-baovao
no mipoitra sahady,
indro angataho
'zay tiana hianjady.



Maraim-baovao
no mamoha etoana,
inty re anjakao
ho feno haravoana.



Maraim-baovao
no mandrehitra asa,
indro ampiasao
hisosa izay kinasa.



Maraim-baovao
no manana hafatra
tsara ho anao
hitandro ny lafatra.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
128 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 24/02/2024 12:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145