MARAINA MANGINA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MARAINA MANGINA




Maraina mangina
ny marainako etoana
maneho fitokiana
sy mivoy haravoana.



Maraina mangina
mamoha andraikitra
tsy tia hakiviana
fa tonga dia raikitra.



Maraina mangina
mamelons ahy adidy
izay mba irariana
ho eo ihany ny safidy.



Maraina mangina
manan-drivo-baovao
ka indro ampiana
vetsovetso toy izao.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
95 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 20/02/2024 20:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142