MARAINA VAOVAO (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MARAINA VAOVAOMaraina vaovao
no misy aminao
ka asio vavaka
tena hiavaka !
Maraina vaovao
ka ny lasa, fafao
hipoiran'ny tiana
sy izay faniriana.
Maraina vaovao
mamono raorao
hisy hazavana
izay higagana.
Maraina vaovao
ka inty re, hajao
fa hitondra soa
sarobidy tokoa.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
